UNESCO : FIVORIAMBE FAHA- 41

Anio Zoma 19 Novembra 2021 no fotoana nihaonan’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena MAMOD’ALI Hawel mivantana tamin-dRamatoa Angela MELO , Tale misahana ny ara-politika sy Fandaharan’asa eo anivon’ny UNESCO niaraka tamin’Atoa Philipp Muller-Wirth, voatendry ho Lehiben’ny sampana fanatanjahan-tena. Fihaonana izay notronin’ny Ambasadaorin’i Madagasikara eo anivon’ny Unesco , Ramatoa Yvette Sylla.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony no nanasongadinan’Andriamatoa Minisitra ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny UNESCO sy ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena. Novoiziny tamin’izany ny mahakasika ny ady atao amin’ny fampiasana fanafody mampatanjaka (lutte contre le dopage) zay sehatra iray afaka ahazoana famantsiambola matotra ; ny fampiofanana eo amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny lafiny asa (renforcement de capacité) ; ny fampiofanana amin’ny lafiny fitantanana foto-drafitrasa ara-panatanjahantena (gestion des infrastructures sportives) mba hampaharitra sy hahitana vokatra tsara izy ireny ka ho azo ampiasaina tanteraka tsy ho an’ny fanatanjahan-tena matihanina sy avo lenta irery ihany fa ho an’ ny Fanatanjahantena natao ho an’ny daholobe ihany koa izay manampy be dia be amin’ny fananana fahasalamana. ( le Sport pour toute la vie).

Anisany nampatsiahiviny ihany koa ny nahavoatendry ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ho Tompondaka eto Afrika amin’ny fanabeazana ara-batana sy fanatanjahan-tena nandritra ny fivoriambe voalohany nataon’ireo minisitra afirkanina misahana ny fanabeazana sy ny Fanatanjahantena. Ka tokony hisian’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny UNESCO sy ny Vondrona Afrikanina ny amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa rehetra mifandraika amin’izany. Filoham-pirenena izay nametraka ny Fanatanjahantena ho anisany laharam-pahamehana ary nanao izany anaty fandaharan’asa manokana izay notanterahana tamin’ny alalan’ny fametrahana foto-drafitrasa ara-panatanjahantena manarapenitra manerana ny Nosy sy ny fanampiana ireo mpanao fanatanjahan-tena isan-tsokajiny. Anisany tanjona tamin’ny fametrahana ireo fotodrafitr’asa ara-panatanjahantena ireo hoy izy ny fitsinjovana ny fiainan’ny vahoaka indrindra amin’ny lafiny ara-pahasalamana izay misy amin’nyalalan’nyfanentanana azy ireo hampiasa vatana, amin’ny lafiny arak’asa satria ny fisian’ireo dia mitaky olona hitantana sy hikarakara azy. Izany oe tsy natao ho an’ny fanatanjahan-tena avo lenta irery ihany mba hanandratana ny hambompom-pirenena fa hitondra fampandroasoana ihany koa amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoanka amin’ny fampananana asa azy.

Mampiseho izany fa tombontsoa maro no afaka azo amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena.

Niarahaba manokana an’i Madagasikara Rtoa Angela Melo satria lasa ohatra tsara ho an’ny UNESCO amin’ny fampiharana ny fandaharan’asany eo amin’ny lafiny fanatanjahantena sy ny tanora i Madagasikara. Izany no mahatonga azy vonona hanao ny fanentanana lehibe rehetra hitadiavana fanampiana ara-bola ho antsika. (Mobilisation de fond)

Ny tanjona dia ny fanaovana fandaharan’asa mitodika any amin’ny vokatra tsara hatrany ka anisany ohatra lehibe amin’izany ny Fanatanjahantena sy ny soa entiny.

Zava-dehibe koa ny fananana olona manana traikefa, noho izany ny UNESCO dia manohana tanteraka izay fampiofanana arak’asa anisany noresahin’Atoa Minisitra. Madagasikara rahateo hoy izy dia nitantana ny CIGEPS tamin’ny fomba tena nahomby sy nahitam-bokatra ka anisan’izany ny nahazoana an’i France ho mpikambana, fanatrehana fivoriana ampitain-davitra isankarazany zay nahafahana niasa na teo aza ny Covid 19. Izany no nisy dia taratry ny fahaizana niara-niasa miaraka izay napetraky ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena tamin’ny Unesco.

Tsy natao ambanin-javatra ny Tanora satria ho avy tsy ho ela ny programa vatsim-pianarana hanofanana ny tanora hampitombo ny fahaiza-manaony mba hahafahany miandraikitra ny hoaviny amin’ny maha mpandray anjara mivantana azy ka anisany hisitraka izany ny tanora malagasy.

Ny tanjona lehibe ankehitriny indrindra noho ny fisian’ny Covid-19 dia ny fametrahana ny Fanatanjahantena ho entina manatsara ny fiainana amin’ny ankapobeny indrindra amin’ny lafiny ara-pahasalamana.

Mitondra maridrefy maromaro ny Fanatanjahantena saingy tsy afaka manao fahagagana fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny sanda sy fahaiza-manao izany.

Raha namarana ny fandraisam-pitenenany Atoa Minisitra dia nanamafy ny fahavononan’ny Ministera izay tantaniny amin’ny fiaraha-miasa rehetra azo atao.

Autre Articles

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga sy faritra Toamasina dia anjaran'ny tanora tao amin'ny faritra Boeny indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja...

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

Tafaverina an-tanindrazana ny 04 jolay 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy ANKOAY izay nitondra avo ny voninahim-pirenenanandritra ny fifaninanana fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin'ny taranja basket-ball latsaky ny 19 taona, natao tany Debrecen Hongrie....

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

Nigadona an-tanindrazana ny 26 Jona 2023 i RANOMENJANJARY Sitrakiniaina Alban, atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika taranja Bras de Fer, izay natao tao Accra. Medaly miisa efatra (4) no azon'i Madagasikara izay mitsinjara toy...

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Nanatanteraka fitsidihana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 19 jiona 2023 ny solontena mpisolo-toerana eo anivon'ny UNFPA, Ramatoa Miranda TABIFOR izay solontena avy amin'ny Masoivohon’ny firenena mikambana. Voaresaka nandritra izany ny fivoaran'ny...

BASKETBALL N1B : FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIAKARA

BASKETBALL N1B : FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIAKARA

Notanterahana ny 18 jona 2023 ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara sokajy N1B taranja Basketball, izay natao tany Morondava ny 10 hatramin'ny 18 Jona 2023 lasa teo.  Miarahaba ny ekipan'ny COSFA izay voahosotra ho tompondaka ny taona 2023....