UNESCO : FIVORIAMBE FAHA- 41

Anio Zoma 19 Novembra 2021 no fotoana nihaonan’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena MAMOD’ALI Hawel mivantana tamin-dRamatoa Angela MELO , Tale misahana ny ara-politika sy Fandaharan’asa eo anivon’ny UNESCO niaraka tamin’Atoa Philipp Muller-Wirth, voatendry ho Lehiben’ny sampana fanatanjahan-tena. Fihaonana izay notronin’ny Ambasadaorin’i Madagasikara eo anivon’ny Unesco , Ramatoa Yvette Sylla.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony no nanasongadinan’Andriamatoa Minisitra ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny UNESCO sy ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena. Novoiziny tamin’izany ny mahakasika ny ady atao amin’ny fampiasana fanafody mampatanjaka (lutte contre le dopage) zay sehatra iray afaka ahazoana famantsiambola matotra ; ny fampiofanana eo amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny lafiny asa (renforcement de capacité) ; ny fampiofanana amin’ny lafiny fitantanana foto-drafitrasa ara-panatanjahantena (gestion des infrastructures sportives) mba hampaharitra sy hahitana vokatra tsara izy ireny ka ho azo ampiasaina tanteraka tsy ho an’ny fanatanjahan-tena matihanina sy avo lenta irery ihany fa ho an’ ny Fanatanjahantena natao ho an’ny daholobe ihany koa izay manampy be dia be amin’ny fananana fahasalamana. ( le Sport pour toute la vie).

Anisany nampatsiahiviny ihany koa ny nahavoatendry ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ho Tompondaka eto Afrika amin’ny fanabeazana ara-batana sy fanatanjahan-tena nandritra ny fivoriambe voalohany nataon’ireo minisitra afirkanina misahana ny fanabeazana sy ny Fanatanjahantena. Ka tokony hisian’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny UNESCO sy ny Vondrona Afrikanina ny amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa rehetra mifandraika amin’izany. Filoham-pirenena izay nametraka ny Fanatanjahantena ho anisany laharam-pahamehana ary nanao izany anaty fandaharan’asa manokana izay notanterahana tamin’ny alalan’ny fametrahana foto-drafitrasa ara-panatanjahantena manarapenitra manerana ny Nosy sy ny fanampiana ireo mpanao fanatanjahan-tena isan-tsokajiny. Anisany tanjona tamin’ny fametrahana ireo fotodrafitr’asa ara-panatanjahantena ireo hoy izy ny fitsinjovana ny fiainan’ny vahoaka indrindra amin’ny lafiny ara-pahasalamana izay misy amin’nyalalan’nyfanentanana azy ireo hampiasa vatana, amin’ny lafiny arak’asa satria ny fisian’ireo dia mitaky olona hitantana sy hikarakara azy. Izany oe tsy natao ho an’ny fanatanjahan-tena avo lenta irery ihany mba hanandratana ny hambompom-pirenena fa hitondra fampandroasoana ihany koa amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoanka amin’ny fampananana asa azy.

Mampiseho izany fa tombontsoa maro no afaka azo amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena.

Niarahaba manokana an’i Madagasikara Rtoa Angela Melo satria lasa ohatra tsara ho an’ny UNESCO amin’ny fampiharana ny fandaharan’asany eo amin’ny lafiny fanatanjahantena sy ny tanora i Madagasikara. Izany no mahatonga azy vonona hanao ny fanentanana lehibe rehetra hitadiavana fanampiana ara-bola ho antsika. (Mobilisation de fond)

Ny tanjona dia ny fanaovana fandaharan’asa mitodika any amin’ny vokatra tsara hatrany ka anisany ohatra lehibe amin’izany ny Fanatanjahantena sy ny soa entiny.

Zava-dehibe koa ny fananana olona manana traikefa, noho izany ny UNESCO dia manohana tanteraka izay fampiofanana arak’asa anisany noresahin’Atoa Minisitra. Madagasikara rahateo hoy izy dia nitantana ny CIGEPS tamin’ny fomba tena nahomby sy nahitam-bokatra ka anisan’izany ny nahazoana an’i France ho mpikambana, fanatrehana fivoriana ampitain-davitra isankarazany zay nahafahana niasa na teo aza ny Covid 19. Izany no nisy dia taratry ny fahaizana niara-niasa miaraka izay napetraky ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena tamin’ny Unesco.

Tsy natao ambanin-javatra ny Tanora satria ho avy tsy ho ela ny programa vatsim-pianarana hanofanana ny tanora hampitombo ny fahaiza-manaony mba hahafahany miandraikitra ny hoaviny amin’ny maha mpandray anjara mivantana azy ka anisany hisitraka izany ny tanora malagasy.

Ny tanjona lehibe ankehitriny indrindra noho ny fisian’ny Covid-19 dia ny fametrahana ny Fanatanjahantena ho entina manatsara ny fiainana amin’ny ankapobeny indrindra amin’ny lafiny ara-pahasalamana.

Mitondra maridrefy maromaro ny Fanatanjahantena saingy tsy afaka manao fahagagana fa tsy maintsy amin’ny alalan’ny sanda sy fahaiza-manao izany.

Raha namarana ny fandraisam-pitenenany Atoa Minisitra dia nanamafy ny fahavononan’ny Ministera izay tantaniny amin’ny fiaraha-miasa rehetra azo atao.

Autre Articles

FIVORIAMBE FAHA-41 NY UNESCO

FIVORIAMBE FAHA-41 NY UNESCO

Tao aorian'ny fihaonan'ny Tale Jeneraly lefitra misahana ny siansa sosialy sy ny maha olona sy ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia niroso tamin'ny "séance plénière" ny fandaharam-potoanan'ny fivoriam-be faha 41 ny UNESCO. Koa anisany nandray anjara...

FIVORIAMBE FAHA-41 NY UNESCO :

FIVORIAMBE FAHA-41 NY UNESCO :

Fihaonana tamin'ny Tale Jeneraly lefitra Ny talata faha 23 novambra 2021, no nihaona tamin- dRamatoa Gabriela Ramos, Tale lefitra misahana ny siansa sosialy sy maha olona eo anivon'ny UNESCO ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MAMOD'ALI Hawel. Nivoitra...

TSIPY KANETY BE : FIADIANA NY AMBOARA MANERAN-TANY 2021.

TSIPY KANETY BE : FIADIANA NY AMBOARA MANERAN-TANY 2021.

Tonga nanotrona ny ekipam-pirenena Malagasy izay mandray anjara amin'ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin'ny taranja "Tsipy Kanety Be" izay atao ao Santa Sussana, Espana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, Atoa MAMOD'ALI Hawel sy ireo mpiara miasa aminy....