Tsipy kanetibe: Fahombiazana manan-tantara ho an’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Nisongadina indray ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny taranja tsipy kanetibe, ka nanoratra pejy vaovao teo amin’ny tantara iraisam-pirenena.

Voahosotra ho tompondaka amin’ny andiany faha-64 amin’ny fifaninanana Mondial La Marseillaise à Pétanque, izay notanterahina tao amin’ny Parc Borély, i Yves Sedrick Rakotoarisoa, Tiana Laurens Razanadrakoto (Tonnerre), ary Lova Santamandimby, tamin’ny alarobia 09 jolay 2025.

Tamin’ny lalao famaranana, dia nahavita nandresy tamin’ny isa 13 noho 10 nanoloana ny ekipa Frantsay tarihin-dry Jouffre, Quintais ary Suchaud izy ireo.

Marihina fa izy telo mirahalahy ireo no ekipa vahiny voalohany nahazo ny anaram-boninahitra ambony indrindra amin’ity fifaninanana ity.

Autre Articles

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Notanterahana tao amin'ny kianjan'ny kanto Mahamasina ny alahady 6 aprily 2025 ny andiany voalohany amin'ny Morengy Iarivo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena tentim-paharazana ity satria dia nomen-danja tanteraka ity taranja ity tamin'ny...