TOAMASINA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian’ny faritra Analamanga dia anjaran’ny tanora tao Toamasina, Faritra Antsinanana indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA.

Tanora mpianatra sy misehatra anaty fikambanana miisa 3500 mahery no nanatrika izany fiofanana izany izay naharitra telo andro.

Nandritra ny telo andro dia niofanana mahakasika ireo « Module » miisa 5 ao anatin’ity tetikasa fanoitra ity ireo Tanora

1- Ny kolontsainan’ny Vina

2- Ny asa fandraharana ho an’ny tanora

3- Ny fialamboly

4- Ny fahaiza-miaina sy fanabeazana olom-pirenena vanona

5- Ny fahasalama sy ny fiarovana ny tanora

Izay nofaranana tamin’ny fizarana mari-piofanana avy amin’ny Institut National de la Jeunesse.

Nanatanteraka izany tany an-toerana ny Fitaleavana misahana ny tanora izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny niaraka tamin’ireo mpiara-miasa eto anivon’ny Minisitera.

Autre Articles

LALAON’NY FRANKOFONIA: FANDRAISANA IREO DELEGASIONA

LALAON’NY FRANKOFONIA: FANDRAISANA IREO DELEGASIONA

Noraisin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, tao amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina ny faha 9 Aogositra 2023 ireo delegasiona Malagasy avy niatrika ny lalaon’ny Frankofonia andiany faha 9 izay natao tany Kinshasa, République Démocratique du Congo. Nandritra...

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Ireo fandaharam-potoana mahakasika ny fankalazana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tanora na "Journée Internationale de la Jeunesse (JIJ) izay tanterahina any Morondava: 9,10,11 Aogositra: Fiofanana mahakasika ny Lifeskills Fanoitra 11 Aogositra:...

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Hankalazaina ny 9 hatramin’ny 12 Aogositra ho avy izao ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tanora na ny "Journée Internationale de la Jeunesse (JIJ)",izay ho tanterahina any Morondava. "Tanora mampanjary tontolo maitso, antoky ny fampandrosoana maharitra sy lovan-jafy...

LALAON’NY FRANKOFONIA: FITSENANA IREO DELEGASIONA

LALAON’NY FRANKOFONIA: FITSENANA IREO DELEGASIONA

Tafaverina an-tanindrazana ny 08 Aogositra 2023 ireo delegasiona Malagasy izay nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny lalaon'ny frankofonia izay natao tany Kinshasa, République Démocratique du Congo. Laharana faha 13 no misy an'i Madagasikara ary nahazo...