« TETIKASAN’NY FILOHAM-PIRENENA HO AN’NY FARITRA ATSINANANA : FANANGANANA KIANJA MITAFO OMNISPORT »

Omaly zoma faha 29 janoary 2021 no tonga nidina ifotony sy nitondra fanazavana ara-tekinika amin’ny fananganana Kianja mitafo manarapenitra tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany amin’ny fitantànana ny tanànan’i Toamasina sy ny fiadidiana ny Faritra ary ny fitantanana ny Lafin-tany ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Adriamatoa TINOKA Roberto sy ny ekipany.

Nanotrona azy ihany koa ny manam-pahefana eto an-toerana (Governora, Préfet, Maire, DRJS…).

Nisy ny fanazavana feno mahakasika ity tetikasa lehibe ity:

● Ho fotodrafitrasam-panatanjahantena anisan’ny raitra indrindra aty amin’ny faritry ny ranomasim-be Indiana sy Afrika, afaka hilalaovana taranja maro: Basket-ball, Volley-ball, Hand-ball, Arts martiaux, fampisehoana isan-karazany ary hahazaka olona 4000.

● Hanatsara ny endriky ny tanánan’i Toamasina sady hifameno sy hirindra amin’ireo tetikasa goavana fanajariana ny moron-driaka (projet Miami, Bd Ratsimilaho, fanitarana ny seranan-tsambo…).

● Miampy ireo fotodrafitrasa izay ho azon’ny rehetra hampiasaina ary koa hanome sehatra ny kolontsaina sy vakoka malagasy sy Betsimisaraka.

● Ho ampiasain’ny mpianatra sy ny mpitia fanatanjahantena rehetra.

Mba hamaliana ny fangatahan’ireo tonga nisolo tena ny mpampiasa ny « stade municipal » dia nambaran’Andriamatoa Minisitra fa hamboarina ny kianjan’ny CRJS sy Lycée Technique mba ho kianja tsy mialonjafy ho azon’ny mpianatra sy ny mpankafy kitra hampiasaina hanaovana « EPS » sy hilalaovana baolina kitra sy taranja hafa.

Raha vita soa aman-tsara ity fotodrafitrasa lehibe ity dia hisy ampahany amin’ny lalao mandritra ny Lalaon’ny Nosy na « Jeux des Îles de l’Océan Indien » 2023 no azon’io KIANJA MITAFO MANARAPENITRA io ho raisina.

Ny Governoran’ny Faritra Atsinanana, Andriamatoa RAFIDISON Richard Théodore dia nanolotra fisaorana sy fankasitrahana lehibe ho an’ny Fitondram-panjakana amin’izao fanomezana Kianja mitafo manarapenitra izao. Ary nitondra fisaorana manokana ho an’ Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena sy ny ekipany, satria nampisava ny ahiahy sy nandiso ireo tsaho niniana naely ity fanazavana narahina sary sy horonantsary androany ity.

« MANDROSO MIARAKA HO AN’NY TARANAKA »

PROJET PRÉSIDENTIEL POUR LA RÉGION ATSINANANA : CONSTRUCTION DU GYMNASE COUVERT OMNISPORT

Ce vendredi 29 janvier 2021, le Ministre de la Jeunesse et des Sports, Monsieur TINOKA Roberto, et son équipe ont effectué une visite de lieu qui va abriter le nouveau gymnase. De plus, il a fourni des informations techniques sur la construction du gymnase couvert « manarapenitra » aux différents responsables de l’administration de la ville de Toamasina ainsi que l’administration des territoires. Les responsables locaux (gouverneur, préfet, maire, DRJS …) ont honoré de leur présence l’événement.

Le numéro un du sport a apporté une description complète de cet important projet :

● Le gymnase sera l’une des infrastructures sportives le plus prodigieuse de l’Océan Indien et Africain, dont de nombreuses disciplines peuvent être pratiquées : basket-ball, volley-ball, handball, arts martiaux, divers spectacles et peuvent accueillir 4000 personnes

●Le projet améliorera l’apparence de la ville de Toamasina. De même, c’est un projet complémentaire avec les grands projets Velirano (projet Miami, Bd Ratsimilaho, extension du port …).

● ce sera une infrastructure accessible à tous, y compris les étudiants et amateurs de sport ;

Dans son discours, Monsieur TINOKA Roberto, a annoncé que le stade du CRJS et celui du Lycée Technique seraient convertis en espaces ouverts pour les étudiants et les fans de football pour les «EPS ». Ceci afin de satisfaire aux demandes des utilisateurs du stade municipal.

Ce qui est exceptionnel, c’est que si cette grande infrastructure est achevée avec succès, elle pourra accueillir une partie du match des « Jeux des îles de l’océan Indien ». On peut déjà imaginer les retombées économiques de ce grand projet dédié par le président au peuple de Toamasina.

Le gouverneur de la RAFIDISON Richard Théodore, exprime ses sincères remerciements et sa gratitude au gouvernement pour ce formidable don de gymnase. Un grand merci à Monsieur le Ministre et à son équipe pour l’allocution de cette journée en énumérant avec des photos et des vidéos qui ont dissipé les soupçons et déformé les rumeurs.

« PROGRESSONS ENSEMBLE POUR LA GÉNÉRATION FUTURE »

Autre Articles

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...