TARANJA VOLLEY-BALL: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Tontosa ny 18 septambra 2021 tao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Volley-ball.

Ny GNVB ny teo amin’ny sokajy U16 zazalahy, ny STEF’AUTO avy ao Toamasina teo amin’ny sokajy diviziona voalohany vehivavy ary ny GNVB 1 Analamanga teo amin’ny lehilahy no nandrombaka ny amboara tamin’izany ka voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taona 2022.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.