Tafiakatra hiady ny amboara maneran-tany eo amin’ny taranja Rugby lalaovin’olona fito (7) izay atao any Afrika Atsimo ny ekipan’ny Makis de Madagascar 7s vehivavy, raha nandresy an’i Ouganda tamin’ny isa 17 noho 12 teo amin’ny lalao manasa dalana ny fiadiana ny amboara Africa Women’s Seven 2022.
DIASPORA PARISY: FIHAONAN’ANDRIAMATOA MINISITRA TAMIN’IREO MPITANTANA SY MPITIA ARY MPANKAFY FANATANJAHANTENA.
Anisany namaranan'Atoa Minisitry Tanora sy Fanatanjahantena MAMOD'ALI Hawel ny diany ny fihaonana tamin'ireo mpikirakira Fanatanjahantena teto Parisy. Nandritra izany fotoana izany no nitondran’ireo solontena vitsivitsy ny hetahetan’izy ireo amin'ny fanatsarana ny...








