Tafiakatra hiady ny amboara maneran-tany eo amin’ny taranja Rugby lalaovin’olona fito (7) izay atao any Afrika Atsimo ny ekipan’ny Makis de Madagascar 7s vehivavy, raha nandresy an’i Ouganda tamin’ny isa 17 noho 12 teo amin’ny lalao manasa dalana ny fiadiana ny amboara Africa Women’s Seven 2022.
UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA
Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...








