Taranja « athlétisme »: fifaninanana nasionaly amin’ny « athlétisme » ho an’ny tanora.

Azo lazaina ho feno ny fandaharam-potoanan’ny taranja « athlétisme » amin’ity taona ity ary ho afa-po ireo mpakafy sy atleta malagasy mandritra ny taom-pilalaovana satria dia maro ny fifaninanam-pirenena hiseho mandritra ny taona.Amin’izao fotoana izao dia efa mahatratra 2574 ny isan’ireo atleta malagasy manana « Licence » izay ahitana ny sokajin-taona rehetra. Miisa 72 kosa ny isan’ireo klioba manerana ny nosy izay tafiditra anatin’ny ligy 15. Ny ligy Itasy no mitana ny laharana voalohany amin’ny fananana atleta manana Licence be indrindra.

Notanterahana ny 20, 21 ary 22 jolay 2018 lasa teo tao amin’ny kianjan’Alarobia ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja « athlétisme » ho an’ny tanora. Tamin’ity taona ity dia nanjakan’ireo atleta avy any amin’ny ligin’Atsimo Andrefana ny fifaninanana ka nandrombahan’izy ireo medaly miisa 61 ka volamena ny 24, volafotsy kosa ny 23 ary varahana ny 14. Laharana faharoa kosa ny avy any amin’ny ligin’Atsinanana izay nahazo medaly volamena 12, medaly volafotsy 12 ary medaly varahana 11. Ny ligin’Analamanga no nitana ny laharana fahatelo izay nahazo medaly volamena 8, volafotsy 15 ary varahana 19.

Voahosotra ho klioba mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana ny klioban’ny GTS izay nahazo medaly miisa 35 ka volamena ny 12, volafotsy ny 16 ary varahana ny 7. Laharana faharoa ny klioban’ny ASCUT izay nahazo medaly volamena 12, medaly volafotsy 12 ary medaly varahana 11. Laharana fahafolo kosa ny klioban’ny CROWN izay nahazo medaly 3.

Azo lazaina ho miankina tanteraka amin’ireto atleta zandriny ireto ny hoavin’ny athletisme malagasy izay hita fa mampiseho fahavononana sy fahaiza-manao avo lenta. Ny tanjon’ny federasiona malagasy amin’ny taranja « athlétisme » dia ny hitondra avo ny voninahim-pirenena any amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena avy ivelany ary vonona hifanome tanana amin’izany ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsiahivina fa amin’izao fotoana izao dia misy ireo atleta malagasy mandranto fiofanana any Chine.

Autre Articles

Résultats tennis de table: Gymnase couvert Ankorondrano

Garcon double Madagascar 2 bat Reunion 1 : 3-1 Madagascar 1 bat Maurice1 : 3 -0 Fille double Madagascar 1 bat Maurice 2 : 3-2 Reunion 2 bat Seychelle 1: 3-0 Matche en cours : 3 éme place mixte Madagascar 2 contre Maurice 2 double dame: Maurice 2 contre Seychelle : 1...

RESULTAT FOOT FEMININ

13h30 LA REUNION vs COMORES (2-0) n°10 ABNER ALICIA ( 23 min 1er mi-temps) n° 9 NELLE NELISSA ( 50 min 2ème mi-temps) 15 h Madagascar bat Mayotte par 3 buts à 1 et termine première de la poule

RESULTAT DE HANDBALL

Poule A  après 2eme Journée EQUIPE JOURNEE BUT MARQUE BUT ENCAISSE DIFFERENCE DE BUT POINTS CLASSEMENT MADAGASCAR 2 60 37 +23 4 1ER MAYOTTE 1 20 26 -6 0 2E SEYCHELLES 1 17 34 -17 0 2E EX Poule B  après 2eme Journée EQUIPE JOURNEE BUT MARQUE BUT ENCAISSE DIFFERENCE DE...

Tennis de table

Les Malgaches au top Les matchs de cette matinée se sont bien déroulés pour la compétition de tennis de table au Gymnase d’Ankorondrano. Chaque pongiste a essayé de défendre son pays respectif. Du côté des hommes, les Réunionnais étaient d’un cran au dessus. Ils se...

Calendrier des compétitions

Tennis de table Table 01 Table 02 Table 01 Table 02 9H 00 Maurice VS Réunion Madagascar VS  Mayotte Madagascar VS Mayotte Maurice VS  Seychelles 10 h 30 Mayotte 15 H                                            Madagascar VS  Seychelles         Madagascar VS  La Réunion...