TANORA MPITARIKA MENDRIKA INDRINDRA MANERANA AN’I AFRIKA 2023.

Tao aorian’ny nahavoafidy an’Andriamatoa Jimmy RANITRATSILO ho tanora mpitarika mendrika indrindra manerana an’i Afrika ny taona 2023 na ny Young African Leaders Awards, sokajy Kwame Nkrumah’s Visionary Leadership Awards dia tonga nanolotra ny « Médaille d’honneur na Ordre de Mérite » izay azon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, amin’ny alalan’ Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny tenany ny 25 May 2023.

Nandritra izany no nisaorany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nanampy tamin’ny fanomezana ny tapakila izay nahafahanany nanatrika ity fifaninanana ity.

 » Mahavita zavatra ny tanora Malagasy ary mendrika ny mibanjina fiainana tsaratsara kokoa ao anatin’ny fo, saina fanahy ary asa sazaha » hoy hatrany i Jimmy RANITRATSILO.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA dia mamerina ny arahaba an’Andriamatoa Jimmy  RANITRATSILO izay nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara iray manontolo tamin’izao nahavoafidy azy izao.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...