Tanora maneho hevitra : mandray anjara amin’ny fanavaozana ny firenena.

Tontosa teny amin’ny anjerimanontolo Ankatso ny talata 9 desambra 2025 teo ny fifanankalozan-kevitra niarahana tamin’ireo tanora izay nokarakarain’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Vondron’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara.

Tanora maro avy amin’ny faritra manerana ny nosy no tonga nanatrika izany. Fihainoana ny hevitr’izy ireo mahakasika ny fampandrosoana ny firenena sy ny fanavaozana ary ny fandriampahalemana no anton’ny fihaonana.

Nandray anjara tamin’izany fifanankalozana izany ireo tompon’andraikitra ara-panjakana izay nahitana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina GASCAR Fenosoa.

Miisa efatra ireo lohahevitra nodinihana tamin’izany, dia ny :

  • Fampandraisana anjara ny tanora amin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fanavaozana
  • Fampitsaharana ny fomba fitantanana tsy nety teo aloha
  • Fametrahana ny fitsinjaram-pahefana sy famerenana amin’ny vahoaka ireo loharanon-karena.
  • Fanavaozana ny seham-pampianarana eto amin’ny firenena.

Autre Articles

Fakan-kevitra isam-paritra momba ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana.

Fakan-kevitra isam-paritra momba ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana.

Nisy ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety izay natao tetsy amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy ao Antsahavola ny zoma 25 jolay mahakasika ny fakan-kevitra momba ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny...