Tanora maneho hevitra : mandray anjara amin’ny fanavaozana ny firenena.

Tontosa teny amin’ny anjerimanontolo Ankatso ny talata 9 desambra 2025 teo ny fifanankalozan-kevitra niarahana tamin’ireo tanora izay nokarakarain’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Vondron’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara.

Tanora maro avy amin’ny faritra manerana ny nosy no tonga nanatrika izany. Fihainoana ny hevitr’izy ireo mahakasika ny fampandrosoana ny firenena sy ny fanavaozana ary ny fandriampahalemana no anton’ny fihaonana.

Nandray anjara tamin’izany fifanankalozana izany ireo tompon’andraikitra ara-panjakana izay nahitana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina GASCAR Fenosoa.

Miisa efatra ireo lohahevitra nodinihana tamin’izany, dia ny :

  • Fampandraisana anjara ny tanora amin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fanavaozana
  • Fampitsaharana ny fomba fitantanana tsy nety teo aloha
  • Fametrahana ny fitsinjaram-pahefana sy famerenana amin’ny vahoaka ireo loharanon-karena.
  • Fanavaozana ny seham-pampianarana eto amin’ny firenena.

Autre Articles

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Notanterahana tao amin'ny kianjan'ny kanto Mahamasina ny alahady 6 aprily 2025 ny andiany voalohany amin'ny Morengy Iarivo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena tentim-paharazana ity satria dia nomen-danja tanteraka ity taranja ity tamin'ny...