OPEN DE MADAGASCAR 2022 : TARANJA TOLONA NA LUTTE

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2022 ny taranja Tolona na  » Lutte » notontosaina tetsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, Andriamatoa RAZAFIMBELO Alain, Talen’ny kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ary notronon’ireo Tale eo anivon’ny Minisitera, anio Sabotsy faha-02 Aprily 2022.

Nankasitraka an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny Filohan’ny federasiona Malagasy ny taranja Tolona amin’ny fanotronan’ireo solontena avy eo anivon’ny Minisitera, izay mahavelom-bolo ary nampanantena ny tenany fa hanome ny vokatra tsara indrindra.

Hanohana hatrany ny mpanao fanatanjahantena ny Minisitera, indrindra manoloana ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay ho tanterahina tsy ho ela eto amintsika.

Nahitana mpikatroka miisa 160, sokajy Junior sy Senior lahy sy vavy ny fifaninana izay fiadiana izay ho Tompondakan’i Madagasikara.

 

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.