ONG STUDIO SIFAKA: FANAMARIHANA NY FAHA 1.000 NY FANDAHARANA

Ho fanamarihana ny faha 1.000 ny fandefasana fandaharana izay natokana ho an’ireo tanora dia nikarakara hetsika fankalazana izany ny ONG Studio Sifaka ny 21 septambra 2022.

Natao nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriam-pahalemana ity hetsika ity. Fanentanana ireo tanora Malagasy amin’ny fitandroana izany no tanjona apetraky ny ONG Studio Sifaka.

Tonga nanome voninahitra izany ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY.

Nandritra ny lahateniny no niarahabany ny ONG Studio Sifaka, ary nirary fandaharana 1.000 avo heny ho fanabeazana sy famolavolana ny tanora Malagasy ho olom-banona hampandroso ny firenena.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.