NASSER FELLOWSHIP

Noraisin’ Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tao amin’ny biraony ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny faha 25 May 2023 i RAPO NAKANY Nichols Atlas izay hisolotena an’i Madagasikara mandritra ny Nasser fellowship izay hatao any Egypte.

Ho fanohanana ity tanora ity dia nanolotra ny tapakila izay hahafahany hihazo an’i Egypte ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Mirary soa ho azy hahazo ny vokatra tsara ary hitondra avo ny voninahim-pirenena.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.