MOTOCROSS DES NATIONS

Noraisin’Andriamatoa Minisitra, André Haja RESAMPA, ny 03 Aogositra 2023 ireo ekipa Malagasy eo amin’ny taranja Motocyclisme izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ny « Motocross des Nations » ho an’ny firenena Afrikanina, izay hotanterahina any Afrika Atsimo ny 11 hatramin’ny 13 Aogositra 2023 izao.

Sambany mandray anjara amin’ity fifaninana ity i Madagasikara izay manana mpanamory miisa 8 eo amin’ny salan-taona 10 ka hatramin’ny 18 taona, izay samy tompondaka amin’ny sokajy misy azy avy.

Nirary soa azy ireo ny tenany amin’ny fihatrehana izany mba hitondra avo ny voninahim-pirenena sy ahazo vokatra tsara mandritra ity « Motocross des Nations » ity.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.