MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Tonga nijery ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra ao Morondava ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy notronin’ny Governoran’ny Faritra Menabe sy ny orinasa misahana ny fanatanterahana ny asa izay nijery ny paikady hoetina hamitana ity kianja ity.

Kianja mahazaka mpijery miisa 4000, ary ahitana efitra miisa efatra (4) ho an’ny mpitsara sy ny mpilalao, ary toeram-pidiovana miisa efatra (4) ho an’ny lahy sy ny vavy ity kianja manarapenitra ao Morondava ity.

Autre Articles

FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO MORONDAVA

FAMPIOFANANA IREO TANORA TAO MORONDAVA

Tontosa tao Morondava,ny hetsika lehibe ho fampiofanana sy famporisihina ho fampandraisana anjara bebe kokoa ny tanora amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, izay fiaraha miasa teo amin’ny DRJS sy ny DREDD MENABE. Ny Tale misahana ny fifanaraham-piaraha- miasa sy...