Morengy Iarivo andiany voalohany.

Notanterahana tao amin’ny kianjan’ny kanto Mahamasina ny alahady 6 aprily 2025 ny andiany voalohany amin’ny Morengy Iarivo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena tentim-paharazana ity satria dia nomen-danja tanteraka ity taranja ity tamin’ny nanatanterahana izao fifaninanana izao teto an-drenivohitra raha toa ka any amin’ny faritra hatrany no nahitana izany teo aloha. Mpikatroka miisa 14 avy any amin’ny faritra Sofia, Diana, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony ary Analamanga no nifaninana tamin’izany.

Anisan’ny tanjon’ireo mpikarakara sy mpandàla ny taranja morengy ny hitsanganan’ny federasiona misahana izany ka mbola hisy ny fifanantonana amin’ny minisitera misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena sy ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.

Tonga nanotrona ity hetsika ity ny tale jeneralin’ny fanatanjahantena mpisolo toerana izay nisolo tena ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena MARSON Moustafa Abdulah.

Autre Articles

Fihaonana COP 30 any Brésil

Fihaonana COP 30 any Brésil

Mandray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré izay tanterahina any Belém Brésil. Zava-dehibe ho an’ny tanora ny fandraisana anjara satria manana anjara...