Morengy Iarivo andiany voalohany.

Notanterahana tao amin’ny kianjan’ny kanto Mahamasina ny alahady 6 aprily 2025 ny andiany voalohany amin’ny Morengy Iarivo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena tentim-paharazana ity satria dia nomen-danja tanteraka ity taranja ity tamin’ny nanatanterahana izao fifaninanana izao teto an-drenivohitra raha toa ka any amin’ny faritra hatrany no nahitana izany teo aloha. Mpikatroka miisa 14 avy any amin’ny faritra Sofia, Diana, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony ary Analamanga no nifaninana tamin’izany.

Anisan’ny tanjon’ireo mpikarakara sy mpandàla ny taranja morengy ny hitsanganan’ny federasiona misahana izany ka mbola hisy ny fifanantonana amin’ny minisitera misahana ny tanora sy ny fanatanjahantena sy ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.

Tonga nanotrona ity hetsika ity ny tale jeneralin’ny fanatanjahantena mpisolo toerana izay nisolo tena ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena MARSON Moustafa Abdulah.

Autre Articles

Tanora salama, antoky ny fampandrosoana.

Tanora salama, antoky ny fampandrosoana.

Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia manome lanja ny fahasalamana sy ny fiarovana ny tanora malagasy. Ho fampiharana izany, ny Fitaleavana misahana ny Fahasalamana Ara-pananahana sy ny Fiarovana ny Tanora (DSRPJ) dia nanatanteraka fiofanana momba ny...