« MIVOATSE » : TETIKASA IARAHANA AMIN’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny faha -24 May 2022 ny Tetikasa MIVOATSE izay atao any amin’ny Faritra Menabe, ary haharitra sivy andro.

Tetikasa tarihan’ny Fiadidiana ny Repoblika izay iarahana amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny minisitera hafa. Fanofanana ny tanora mikasika ny fandraharahana sy ny fampananana asa, ny fahaizana miatrika fiainana, ny vonjy aina ary ny fahasalamana ara-pananahana no entin’ny Minisitera ao anatin’izay sivy andro izay.

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneraly Misahana ny Tanora, Ramatoa RAZANAMASY Tsikitsiky, ary niroso avy hatrany tamin’ny fanentanana izay nentina nampahafantarana ny fandaharan’asa rehetra.

Ireto no lohahevitra hampitaina fahalalana ireo tanora ao anatin’izay sivy andro izay hanatanterahana ny fanofanana:

– Famolavolana ny toetsaina ho mpandraharaha, « Handraharaha aho »

– Fanabeazana ara-bola sy fahaiza-mitantana

– Fanabeazana ara-pananahana

– Fahaizana miatrika fiainana

– Vonjy aina.

Distrika maro ao amin’ny faritra Menabe no hisitraka izany, manomboka ao Morondava ka mitohy any Belo sur Tsiribihina, Mahabo, Ankilizato ary hofaranana any Miandrivazo.

Hitohy avy hatrany amin’ny fanomanana ny hanatanterahana ny paik’ady nasionaly « FANOITRA » ho amin’ny fizakan-tena ny tanora ny tetikasa.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.