MALAGASY RUGBY: FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA

Tontosa anio 15 Oktobra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha- miasa eo amin’ny Malagasy RUGBY sy ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.

Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale jeneraly misahana ny Fanatanjahantena eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra MAMOD’ALI Hawel.

Nanotrona izany koa ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Malagasy Rugby sy ireo olo-manankaja hafa ary ireo solontena avy amin’ireo mpilalao ao amin’ny Makis an’i Madagasikara.

Marihina fa ny roa tonta dia hifanome tanana ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara izay anisany laharam-pahamehana ary ilaina fifanomezan-tanan’ny rehetra.

Santatra ambava-rano izao ary entina anehoana fa anisany mitondra makany amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientan’ny tsirairay.

Autre Articles

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

HACKATHON : FIFANINANANA TETIKASA

Ny faha 5 Oktobra hatramin'ny 11 Oktobra ny fisoratana anarana amin'ny fifaninanana tetikasa  mikasika ny vahaolana sy ny tontolony, ho any tontolo milamina sy maharitra kokoa "Hackathon" #Hack4peace. Antsoina noho izany  ireo tanora ao anatin'ny 18 ka...

TARANJA VOLLEY-BALL

TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin'ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Volley-ball. Ny Stef'Auto avy ao Toamasina teo amin'ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo...

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin'izao fandalovan' ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany. Nijery...