Nanatanteraka fitsidihana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eo an-dalam-pamitana toy ny dobo filomanosana olaimpika sy ny kianja mitafo mahazaka mpijery 4.000 ao renivohim-paritry ny Boeny, ny 15 desambra 2022 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra iraisam-pirenena momban’ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indianina na ny CIJ. Marihana fa isan’ireo fotodrafitrasa handraisana ny lalaon’ny Nosy 2023 ireo notsidihana ireo.
MOTOCROSS DES NATIONS
Noraisin'Andriamatoa Minisitra, André Haja RESAMPA, ny 03 Aogositra 2023 ireo ekipa Malagasy eo amin'ny taranja Motocyclisme izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan'ny "Motocross des Nations" ho an'ny firenena Afrikanina, izay hotanterahina any Afrika Atsimo ny 11...








