MAHAJANGA: FIHAONANA TAMIN’NY GOVERNORAN’NY FARITRA BOENY

Tonga nanao fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy ny Governoran’ny faritra Boeny, Andriamatoa Mokhtar Salim ANDRIATOMANGA, sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tao an-toerana toy ny Préfet ny Mahajanga, Andriamatoa Lahanaina RAVELOMAHAY, ary ny PDS ny tananan’i Mahajanga, Ramatoa Tonganirina VELOMARY, ny delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahatena izay notarihan’Andriamatoa RALAIVAO Lovatiako, Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisitera, ny 10 Aogositra 2022.

Nandritra ny fihaonana no niresahana mahakasika ny fiofanana ho an’ireo tanora avy amin’ny distrika maro samihafa ny « LIFE SKILLS FANOITRA » ary indrindra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora izay hankalazaina ny faha- 12 aogositra 2022 izao ao an-tampon’ny tananan’i Mahajanga.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...