Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana.

Notanterahana teny amin’ny Qg Tanora Ankorondrano ny zoma 19 septambra 2025 lasa teo ny fanokafana ofisialy ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana. Ho an’i Madagasikara manokana dia haharitra ny 19 hatramin’ny 22 septambra 2025 ny fankalazana, ny 27 septambra kosa ny famaranana.

Maro ny hetsika entina mankalaza izany toy ny fampirantiana sy tranoeva, ny ady hevitra maro samihafa, ny hetsika ara-panatanjahantena ary ny fampiofanana ho an’ireo tanora.

Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana androany ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Moustapha Marson , notronin’ny solontena maharitry ny UNFPA eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou ary ireo tale isan-tsokajiny eto amin’ny minisitera sy vahiny maro hafa.

Nandritra ny lahatenin’Andriamatoa Minisitra no nanambarany ny maha zava-dehibe ny fandriampahalemana ho an’ny olombelona ary isika eto Madagasikara dia azo lazaina fa misitraka izany miohatra amin’ny firenen-kafa izay misy ady sy korontana maneran-tany. Teo am-pamaranana no nanehoany ny teny fisaorana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny minisitera tamin’ny fanatanterahana izao fankalazana izao anisan’izany ny rafitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara sy ireo fikambanana tsy miankina maro hafa

Autre Articles

Fitsidihana ireo Tetikasa tohanan’ny UNPBF sy fivoriana fahatelo nataon’ny Komitin’ny Tetikasa Mahasaky Women & Youth: Nandray anjara feno ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

Fitsidihana ireo Tetikasa tohanan’ny UNPBF sy fivoriana fahatelo nataon’ny Komitin’ny Tetikasa Mahasaky Women & Youth: Nandray anjara feno ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

Tanteraka tao Toliara, Renivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana ny iraka fizohiana ireo Tetikasa ho an'ny Tanora izay tohanan'ny UNPBF. Nisy ny fitsidihana ara-pomba fanajana ireo manampahefana tany an-toerana mialoha izany tahaka ny Governoran'ny Faritra Atsimo...

Fojaeb 2025 Toliara: tratra ny fanamby

Fojaeb 2025 Toliara: tratra ny fanamby

Tontosa ny 19 aprily 2025 ny lanonam-pamaranana ny fihaonamben'ny tanora Afrikanina, momba ny toekarena manga, andiany faharoa na ny FOJAEB. Hetsika iraisam-pirenena nokarakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena andaniny, ny Minisiteran'ny Jono sy ny...