LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA-11 : FANEHOANA NY SARY FAMANTARANA SY NY HIRA FANEVA

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faha 19 May 2023 ny sary famantarana sy ny ny hira faneva ny Lalao ny Nosy andiany faha 11 izay ho tanterahina eto Madagasikara ny volana Aogositra ho avy izao.

Nandritra ny lahateny nataon’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora  sy ny Fanatanjahantena no nisaorany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA amin’ny fitarihany ny firenena amin’ny fomba mahomby ka marik’izany ny fandraisan’i Madagasikara izao lalao goavana eto amin’ny ranomasimbe Indianina izao.

« Azo antoka fa ho tsara lavitra noho ny teo aloha ny fandraisantsika ity lalaon’ny Nosy ity ary efa hita misongadina manomboka amin’ity lanonana ity ny mampiavaka azy » hoy hatrany ny tenany.

Nanambara hatrany Andriamatoa  Minisitra fa anisany andro manan-danja ho an’ny mpanao fanatanjahantena ny andro androany izay hanamarika ny fandresena ao anatin’ny firaisan-kina sy fiaraha mientanana.

Tonga nanome voninahitra izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny Filohan’ny Antenimeran-doholona, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fantatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, notronin’ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Governemanta sy ireo olo-manankaja maro samihafa ary ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny Nosy.

Manomboka izao ny sary famantarana dia tsy hijanona ho fampafantarana ivelany fotsiny fa hiantoka ny fifandraisina amin’ny ireo Nosy rahavavy mandritra ny lalao ka eo anolon’izany ihany koa no hitondrana ny hira  faneva izay handravaka ny lalao.

Autre Articles

LALAON’NY FRANKOFONIA: FANDRAISANA IREO DELEGASIONA

LALAON’NY FRANKOFONIA: FANDRAISANA IREO DELEGASIONA

Noraisin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, tao amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina ny faha 9 Aogositra 2023 ireo delegasiona Malagasy avy niatrika ny lalaon’ny Frankofonia andiany faha 9 izay natao tany Kinshasa, République Démocratique du Congo. Nandritra...

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Ireo fandaharam-potoana mahakasika ny fankalazana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tanora na "Journée Internationale de la Jeunesse (JIJ) izay tanterahina any Morondava: 9,10,11 Aogositra: Fiofanana mahakasika ny Lifeskills Fanoitra 11 Aogositra:...

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA

Hankalazaina ny 9 hatramin’ny 12 Aogositra ho avy izao ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tanora na ny "Journée Internationale de la Jeunesse (JIJ)",izay ho tanterahina any Morondava. "Tanora mampanjary tontolo maitso, antoky ny fampandrosoana maharitra sy lovan-jafy...

LALAON’NY FRANKOFONIA: FITSENANA IREO DELEGASIONA

LALAON’NY FRANKOFONIA: FITSENANA IREO DELEGASIONA

Tafaverina an-tanindrazana ny 08 Aogositra 2023 ireo delegasiona Malagasy izay nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny lalaon'ny frankofonia izay natao tany Kinshasa, République Démocratique du Congo. Laharana faha 13 no misy an'i Madagasikara ary nahazo...