LALAON’NY FRANKOFONIA: FITSENANA IREO DELEGASIONA

Tafaverina an-tanindrazana ny 08 Aogositra 2023 ireo delegasiona Malagasy izay nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny lalaon’ny frankofonia izay natao tany Kinshasa, République Démocratique du Congo.

Laharana faha 13 no misy an’i Madagasikara ary nahazo medaly miisa 09: Volamena 03, Volafotsy 04 ary Alimo miisa 02 izay tamin’ny taranja judo, basikety, tolona, tenisy ambony latabatra ary atletisma.

Tonga nitsena azy ireo ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera, izay nisolontena ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.