JUDO: COUPE DE MADAGASCAR 2022

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara 2022 eo amin’ny taranja Judo izay tontosaina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, Andriamatoa RABARINALA Thierry , Tale Jeneralin’ny Académie Nationale des Sports(ANS), izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ary notronon’ireo Tale eo anivon’ny Minisitera, ny zoma faha-15 Aprily 2022.

Tao anatin’ny fandraisam-pitenenana izay nataony no nampitany ny firariantsoa avy amin’Atoa Minisitra ary nanamarihany fa eo akaikin’ny mpanao fanatanjahantena mandrakariva ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ny fifaninanana toy izao izay tena zava-dehibe manoloana ny fanomanana ny fampiantranoan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy andiany faha 11 amin’ny taona 2023.

Nankasitraka an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Judo ary nampanantena ny tenany fa hanome ny vokatra tsara indrindra.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.