JIOI 2023: FAHATONGAVAN’IREO ATLETA MALAGASY NISITRAKA FIOFANANA TANY CHINE

Tonga soa amantsara eto an-tanindrazana ny 15 jona 2023 ireo andiany voalohany tamin’ireo atleta Malagasy nisitraka fiofanana tany Chine mahakasika ny fampivondronana iraisam-pirenena.

Mpiangaly ny taranja Atletisma miisa 15 sy ny taranja Haltérophilie miisa 14 miampy mpanazatra iray avy ary tompon’andraikitra ara-taratasy iray izay mandrafitra ny delegasiona Malagasy no nigadona androany.

Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izany fiofanana izany ary manohana mandrakariva ny fanatanjahantena ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA .

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.