JERI-TODIKIN’NY SERASERA HOAN’NY FAMPANDROSOANA C4D 2021

Notontosaina nandritra ny 03 andro izay niantomboka ny 01 Desambra 2021 ka hatramin’ny androany 03 desambra 2021 ny atrik’asa izay nijerena ny zava-bita sy hanatsarana ny serasera ho amin’ny fampivoarana ara-pitondratena sy ara-piarahamonina izay nokarakarain’ny UNICEF sy ireo mpiara- miombonantoka aminy.

Nandray anjara tamin’izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Izany atrikasa izany dia natao tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina Antananarivo izay nahitana ny fandraisana anjara mavitrika nataon’ireo solontena avy amin’ny Minisitera isan-tsokajiny, ny Fikambanana samihafa miara miasa ary ireo avy any amin’ny faritra Anosy, Androy, Atsinanana, Analanjirofo ary Boeny.

Niompana tamin’ny famaritana ny tondrozotra amin’ny fandaharan’asa mandritra ny taona 2022-2023 izany ho fanatanterahana ny zon’ny ankizy sy ho fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny zatovo sy ny tanora.

#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #UNICEF #C4D

 

Autre Articles

FIOFANANA SY FAMPIOFANANA TANORA MANKANY IVELANY

FIOFANANA SY FAMPIOFANANA TANORA MANKANY IVELANY

Manan-talenta sy fahaizana amin'ny lafiny maro ny Tanora Malagasy ary mamiratra hatrany amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Ho amin'ny fahafahana misehatra eo amin'ny iraisam-pirenena dia tsy maintsy ampahafantarina avokoa ary ampitoviana ny Tanora rehetra mba samy...

FANDRAHARAHANA ARA-TSAKAFO: ANALANJIROFO

FANDRAHARAHANA ARA-TSAKAFO: ANALANJIROFO

Tontosaina manomboka androany Alatsinainy 06 Desambra 2021 ka tsy hifarana rahatsy ny Alahady 12 Desambra 2021 ny fampiofanana ireo Tanora 18 ka hatramin'ny 35 taona, miisa 30 mahakasika ny FANDRAHARAHANA ARA-TSAKAFO izay tanterahina ao antampo-tananan'i Soanierana...

JOURNEE INTERNATIONALE DU VOLONTARIAT

JOURNEE INTERNATIONALE DU VOLONTARIAT

Nandritra ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny Filatsahana An-tsitrapo, ny 05 Desambra 2021, ny fikambanana One Way for Change dia nikarakara ny hetsika "Award Day", izay fotoana iray fanomezandanja ny ezaka natao sy fankasitrahana ireo mpilatsaka...

FIHAONAN’NY GOVERNEMANTA SY NY SOLOMBAVAM-BAHOAKA

FIHAONAN’NY GOVERNEMANTA SY NY SOLOMBAVAM-BAHOAKA

Misy ny fihaonan'ireo Solombavam-bahoakan'i Madagasikara amin'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta izay tarihin'ny Praiminisitra, Andriamatoa Christian NTSAY nanomboka omaly 02 Desambra 2021 sy ny 03 Desambra 2021. Mandritra izany roa andron' ny fihaonana izany no...