JERI-TODIKIN’NY SERASERA HOAN’NY FAMPANDROSOANA C4D 2021

Notontosaina nandritra ny 03 andro izay niantomboka ny 01 Desambra 2021 ka hatramin’ny androany 03 desambra 2021 ny atrik’asa izay nijerena ny zava-bita sy hanatsarana ny serasera ho amin’ny fampivoarana ara-pitondratena sy ara-piarahamonina izay nokarakarain’ny UNICEF sy ireo mpiara- miombonantoka aminy.

Nandray anjara tamin’izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Izany atrikasa izany dia natao tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina Antananarivo izay nahitana ny fandraisana anjara mavitrika nataon’ireo solontena avy amin’ny Minisitera isan-tsokajiny, ny Fikambanana samihafa miara miasa ary ireo avy any amin’ny faritra Anosy, Androy, Atsinanana, Analanjirofo ary Boeny.

Niompana tamin’ny famaritana ny tondrozotra amin’ny fandaharan’asa mandritra ny taona 2022-2023 izany ho fanatanterahana ny zon’ny ankizy sy ho fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny zatovo sy ny tanora.

#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #UNICEF #C4D

 

Autre Articles

Fiarahabana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

Fiarahabana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

Tonga nirary soa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Atoa HAWEL Mamod Ali ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Ramatoa Juliana RATOVOSON amin'izao taona vaovao izao. Taonan'ny asa ity taona 2022 ity ho fanatanterahana ireo velirano napetraky ny...

Fiarahabàna ny Praiminisitra sy Ramatoa vadiny

Fiarahabàna ny Praiminisitra sy Ramatoa vadiny

Tonga niarahaba ny Praiminisitra, Andriamatoa Ntsay Christian, sy Ramatoa vadiny, nahatratra ny taona vaovao 2022 ireo mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta Malagasy, androany maraina. Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena no nitondra ny teny firarian-tsoa tamin’ny...

FAMPANANAN’ ASA HO AN’NY TANORA

FAMPANANAN’ ASA HO AN’NY TANORA

Kaominina 4 tato anatin'ny Distrikan' Ambatondrazaka no notsidihin-dRamatoa Vice- Ministre misahana ny tanora omaly. Ny tao amin'ny Kaominina Ambandrika, Kaominina Ambohidava fokonkany Andranomena, Kaominina Ambatosoratra, ary Kaominina Ambohitsilaozana. Nihaino ny...