| Notontosaina nandritra ny 03 andro izay niantomboka ny 01 Desambra 2021 ka hatramin’ny androany 03 desambra 2021 ny atrik’asa izay nijerena ny zava-bita sy hanatsarana ny serasera ho amin’ny fampivoarana ara-pitondratena sy ara-piarahamonina izay nokarakarain’ny UNICEF sy ireo mpiara- miombonantoka aminy.
Nandray anjara tamin’izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Izany atrikasa izany dia natao tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina Antananarivo izay nahitana ny fandraisana anjara mavitrika nataon’ireo solontena avy amin’ny Minisitera isan-tsokajiny, ny Fikambanana samihafa miara miasa ary ireo avy any amin’ny faritra Anosy, Androy, Atsinanana, Analanjirofo ary Boeny. Niompana tamin’ny famaritana ny tondrozotra amin’ny fandaharan’asa mandritra ny taona 2022-2023 izany ho fanatanterahana ny zon’ny ankizy sy ho fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny zatovo sy ny tanora. #MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #UNICEF #C4D
|
ÀNDRAHARO – AMBODIMITA – AMBOHIBAO TOLO-TANANA HOAN’IREO TRABOINA
Na ny orana na ny andro alina dia tsy nahasakana ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo izay notarihan-dRamatoa Juliana Ratovoson, Minisitra Lefitra misahana ny Tanora sy ireo mpiara-miasa aminy. Nanatontosa ny fanampiana sy fanomezan-tanana ho an'ireo traboina izay hita...








