JERI-TODIKIN’NY SERASERA HOAN’NY FAMPANDROSOANA C4D 2021

Notontosaina nandritra ny 03 andro izay niantomboka ny 01 Desambra 2021 ka hatramin’ny androany 03 desambra 2021 ny atrik’asa izay nijerena ny zava-bita sy hanatsarana ny serasera ho amin’ny fampivoarana ara-pitondratena sy ara-piarahamonina izay nokarakarain’ny UNICEF sy ireo mpiara- miombonantoka aminy.

Nandray anjara tamin’izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Izany atrikasa izany dia natao tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina Antananarivo izay nahitana ny fandraisana anjara mavitrika nataon’ireo solontena avy amin’ny Minisitera isan-tsokajiny, ny Fikambanana samihafa miara miasa ary ireo avy any amin’ny faritra Anosy, Androy, Atsinanana, Analanjirofo ary Boeny.

Niompana tamin’ny famaritana ny tondrozotra amin’ny fandaharan’asa mandritra ny taona 2022-2023 izany ho fanatanterahana ny zon’ny ankizy sy ho fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny zatovo sy ny tanora.

#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #UNICEF #C4D

 

Autre Articles

VOYAGE D’ETUDE A L’ILE MAURICE

Quatre jeunes lycéens, les plus méritants du Lycée Moderne Ampefiloha ont été sélectionnés pour bénéficier d’un voyage d’étude d’une semaine à l’Île Maurice du 24 au 30 septembre 2014 : RABARY Sitraka Ny Aina Fanomezantsoa ; FITERYAH ABOUSOARY Marie Daniella;...