iParticipate – Ndao i-kozy : fomba nomerika vaovao ho fanamafisana ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana.

Ao anatin’ny fampiharana ny sehatra nomérika « iParticipate », izay tohanan’ny Programan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana (PNUD), amin’ny alalan’ny tetikasa RPEDEM sy Mahasaky, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Fonds des Nations Unies pour la Consolidation de la Paix (UN PBF), ny Konfederasiona Soisa, ary ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, dia nanao ny atrikasa ara-teknika ho an’ireo « influenceurs » enina (06) sy « analystes » roa (02) voafantina. Ireo dia tanora avy amin’ny faritany Antananarivo, Toliara, Antsiranana, Toamasina ary Mahajanga, ho fananana fahaizana feno momba ny sehatra nomérika « iParticipate », indrindra momba ny fampiharana, ny kaody fidirana, ny fifandraisana ary ny fandrindrana amin’ny fampiasana ny sehatra.

Tontosa ny atrikasa nanomboka ny alatsinainy 17 hatramin’ny 19 novambra 2025, tao amin’ny ILO Hotel Ambohidratrimo.

Aorian’ity atrikasa ity dia hisy fampahafantarana, fifanakalozan-kevitra ary fanamarinana, arahina fanasoniavana fifanarahana eo amin’ny ONG Tolotsoa sy ireo influenceurs / analystes, ho fanatanterahana sy fanamafisana ny asa ary hiantohana ny faharetany.

Ny fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny Fitiavan-Tanindrazana, ny Fandriampahalemana ary ny Fampandrosoana Lovainjafy dia tsy nikely soroka amin’ny ezaka sy ny fanohanana natokana hanatanterahana ity hetsika ity.

Autre Articles

Fihaonana COP 30 any Brésil

Fihaonana COP 30 any Brésil

Mandray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, RASAMBANY Alain Désiré izay tanterahina any Belém Brésil. Zava-dehibe ho an’ny tanora ny fandraisana anjara satria manana anjara...