IHOSY: KIANJA MITAFO

Nanatanteraka fihaonana ara-tekinika tao Ihosy ny delegasiona izay notarihan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, notronin’ ireo tompon’adraikim-panjakana rehetra tao an-toerana sy ny orinasa miandraikitra sy misahana ny fananganana ny Kianja mitafo mazaka olona miisa 1000, ny 14 martsa 2023.

Noresahana nandritra izany ireo dingana efa vita ary indrindra ireo mbola tokony ho vitaina izay namaritana tetiandro hentitra amin’ny famitana ara-potoana ny asa. Nohamafisina ihany koa ny fanajana ireo fenitra rehetra takina amin’ny famitana ny kianja mitafo Ihosy io.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.