HERINANDRON’NY MPANAZAVA « MPANAZAVA DAY »

Tontosa ny 27 may 2023 ny famaranana ny Herinandron’ny Mpanazava « Mpanazava Day » tao amin’ny LTP Alarobia.

Hetsika maro no nanehoan’ireo zatovovavy ity « Mpanazava Day » ity toy ny hetsika ara-kolontsaina, ny hetsika ara-panatanjahantena, ny fampirantiana tamin’ny trano heva sy ny fifanakalozana amin’ny Skoto zazavavy eo amin’ny sehatra iraisampirenena ao amin’ny YESS Program.

Ny hetsika dia notronin’ny Filohan’ny Komity Lehiben’ny Tily sy Mpanazava eto Madagasikara izay nampitondra ny teny  fisaorana ho an’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin’ny fanohanana hatrany ireo tanora Malagasy, sy ny Skotisma.

Tonga nanotrona izany ireo Tale isan-tsokajiny teto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.