HANDBALL 2022: FIFANINANANA IRAISAM-PIRENENA IHF TROPHY ZONE 7 U20

Tanterahina eto Antananarivo, manomboka ny faha 24 hatramin’ny faha 27 novambra 2022 izao ny CHALLENGE TROPHY ZONE VII eo amin’ny taranja Handball. Firenena miisa telo no mandray anjara amin’izany, Maurice, Seychelles  ary Madagasikara.

Tonga nanatrika ny fanokafana izany lalao izany ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, ny filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Handball, ny solotena avy amin’ny IHF (International Handball Fédération) sy ireo Tale jeneraly ary ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera.

Nandritra ny lahateniny dia nisaotra manokana ny Federasiona Iraisam-pirenena ny Handball ny tenany tamin’ny nanomezany fitokisana an’i Madagasikara nandray ity fifaninana Iraisam-pirenena ity; ary nisaotra manokana ihany koa ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny Handball nohon’ny fahombiazan’ny fandaminana sy ny fikarakarana rehetra. Nanambarany fa sady voninahitra no tombon-dahiny lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana lalao iraisam-pirenena toy izao. Nasongadiny ny maha zava-dehibe ny CHALLENGE IHF TROPHY izay fifaninana hifantenana ireo ekipam-pirenena hiditra amin’ny Dingana famaranana aty Afrika sy maneran-tany; ary manana ny lanjany manokana amin’ny famolavolana taniketsan’ny ankizy sy tanora mpanao Handball eo anivon’ny firenena sy aty amin’ny Faritra Ranomasimbe Indiana.

Notsindriany fa izao hetsika izao dia mifanindra-dalana tanteraka amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay mikendry ny hamerina sy hanandratra ny hambom-pirenena amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena. Ary nisaotra ireo mpikarakara isan’ambaratongany izay nifarimbona tamin’ny fanantaterahana izao fifaninana izao ny tenany.

Namaranany izany dia nirary soa sy nampahery ny atleta mpandray anjara rehetra ny tenany, indrindra fa ny atleta Malagasy.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.