HACK4PEACE 2022

Notanterahana ny 24 oktobra 2022 ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo vondron-tanora izay nahazo ny amboara tamin’ny fifaninanana Hack4Peace sy ny YouthMobile, izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Journée des Nations Unies »

Ny Hack4Peace dia fifaninanana natokana ho an’ireo tanora 18 hatramin’ny 30 taona izay manana vina sy tetikasa izay mitondra fiovana eo anivon’ny fiaraha-monina.

Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay miaraka amin’ireo firenena mikambana sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany no niara-nientana nahatontosa izany fifaninanana izany.

Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian. Nisolotena an’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena nandritra izany, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora.

Nandritry ny lahateniny dia nitodika tamin’ireo tanora nandray anjara, sy tamin’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka ny tenany amin’ny tsy hanaovana ambanin-javatra ny ho avy.

« Ianareo no andrandraina hitondra fiovana » ary mankasitraka ireo rehetra nitondra ny anjara birikiny ary nirary soa ny hahavita be hoy hatrany ny tenany nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Autre Articles

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

UNFPA: FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny solotenan'ny UNFPA miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny 26 jolay 2023. Voaresaka nandritra izany ny fanohanana hoentin'izy ireo mandritra ny JIJ 2023...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023

Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay...