FORUM SUR L’EMPLOI ET LE DÉVELOPPEMENT DES JEUNES

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoham-pirenena mahakasika ny asa sy ny fampiroboroboana ny tanora, teny amin’ny CCI Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian ny 5 may 2022 niaraka tamin’ireo mpikambana sasantsasany ao anatin’ny governamanta izay voakasika amin’ity tetikasa ity, anisan’izany Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fikarakarana ny tanora rehetra.

Naharitra roa (2) andro ny hetsika, izay niarahan’ny governemanta Malagasy manatontosa miaraka amin’ireo mpiara- miombon’antoka toy ny: OIT, ONUDI, PNUD ary ny UNFPA.

Tanora lahy sy vavy 156 avy amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy no mivondrona hiaraka handrafitra Paikady vaovao ahafahana mamoaka antotan-kevitra sy rafitra ahafahana mamaha ny olana eo amin’ny asa sy fampananan’asa ho an’ny tanora Malagasy rehetra.

Anisan’ny nanamarika ny andro voalohany ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo manampahefana tonga nanatrika izao fihaonana izao, izay samy nitantara ny làlana nodiaviny sy ny sedra niainany teo amin’ny fiainana ary ny sehatry ny asa.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.