FORUM D’CLIC PRO

Tanterahina ny faha 15 hatramin’ny 16 septambra 2022 ao amin’ny « Mining Business Center » Ivato ny fifanankalozan-kevitra « D-CLIC PRO » izay mitondra ny lohahevitra « Fahafahana mampiofana sy fampananan’asa ho an’ny tanora ary fahaiza-manao ara-nomerika ho fampandrosoana ny orinasa” eto Madagasikara, izay nokarakarain’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) sy ny SAYNA, izay eo ambany fiahian’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian.

Nasaina tamin’izany ireo mpianatra manana diplaoma sy ireo tanora mpandraharaha ao anatin’ny tontolon’ny nomerika izay mitady fiofanana eo anivon’izany sehatra izany.

Hampifandray ireo tanora manana fahaiza-manao ara-nomerika amin’ny ireo orinasa, ivon-toeram-piofanana, mpisehatra amin’ny tontolon’ny nomerika, ary ny rafitra « incubation », mba hanamora ny fampidirana azy ireo ao anatin’ny tontolon’ny matihanina no tanjona amin’izany.

Tonga namaly ny fanasana ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera.

Autre Articles

MOTOCROSS DES NATIONS

MOTOCROSS DES NATIONS

Noraisin'Andriamatoa Minisitra, André Haja RESAMPA, ny 03 Aogositra 2023 ireo ekipa Malagasy eo amin'ny taranja Motocyclisme izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan'ny "Motocross des Nations" ho an'ny firenena Afrikanina, izay hotanterahina any Afrika Atsimo ny 11...

TARANJA BOXE: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

TARANJA BOXE: FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

Tsy namela irery ireo mpiangaly ny taranja "Boxe" hiatrika ny lalaon'ny Nosy izay hotanterahina eto Madagasikara ny faha 25 Aogositra hatramin'ny 03 Septambra 2023 izao ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, no sady Minisitra...

LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

Ho maro ny fivezivezena eto an-toerana indrindra eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato mialoha, mandritra ary aorian'ny lalaon'ny Nosy. Nisy ny fidinana ifotony teny an-toerana ho fijerena ny pitsopitsony farany amin'ny fikarakarana izany. Tonga nanatrika izany ny...

LALAON’NY NOSY 2023 : FITSIDIHANA IREO EKIPAM-PIRENENA

LALAON’NY NOSY 2023 : FITSIDIHANA IREO EKIPAM-PIRENENA

Ho fanomanana ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 dia tonga teny amin'ny Hôtel Mada Espace By Pass ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA no sady Minisitra mpiahy ny taranja Boxe sy ny taranja Cyclisme niaraka tamin'ireo mpiara...

EISA (Electoral Institut for Democracy Sustainable in Africa)

EISA (Electoral Institut for Democracy Sustainable in Africa)

Tonga nitsidika ara-pomba fanajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny 26 jolay 2023 teo, ny solontena avy amin'ny EISA izay notarihan'Andriamatoa Valdiodio NDYAIE. Nandritra ny fihaonana no nandinihina sy nanaovana fifanakalozan-kevitra momba ireo endrika...

FIRAISAN’NY SKOTISMA ETO MADAGASIKARA

FIRAISAN’NY SKOTISMA ETO MADAGASIKARA

Noraisin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, tao amin'ny biraony Ambohijatovo ny 26 jolay 2023 ireo tanora skoto 15 lahy izay hisolontena an'i Madagasikara mandritra ny fihaonamben'ny Skoto na Jamboree skoto maneran-tany andiany faha 25 Ny fikambanana skoto...