FOOTBALL: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA TAMIN’NY FIFANINANANA ORANGE PRO LEAGUE 2023 (OPL)

Notanterahana ny 9 jolay 2023 tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny lalao famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana Orange Pro League 2023.

Ny Fosa Juniors FC avy any Mahajanga no nandrombaka ny amboara tamin’izany ka voahosotra ho tompondaka raha naharesy 1 noho 0 ny ekipan’ny Fanalamanga ary hisolontena an’i Madagasikara amin’ny « Ligue des champions Africaine ».

Tonga nanontrona sy nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA niaraka tamin’ireo olo-manankaja maro isan-tsokajiny, notronin’ireo tompon’andraikitra avy eto anivon’ny Minisitera.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.