FOOTBALL: FAMARANANA NY FIADIANA NY AMBOARAN’NY FILOHA

Notanterahana ny 20 Aogositra 2023, teo amin’ny kianja BAREA Mahamasina ny lalao famaranana ny fiadiana ny amboaran’ny Filoha eo amin’ny taranja baolina kitra.

 

ANTANANARIVO 1 Vs 0 TOAMASINA

 

Miarahaba ny ekipan’i Antananarivo izay voahosotra tompondaka nandritra’ny « Coupe du Président 2023 ». Tafiditra ao anatin’ny fanandratana avo ny fanatanjahantena sy ny tanora Malagasy izao hetsika izao.

 

Tonga nanome voninahitra izany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA notronin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA niaraka tamin’ireo olo-manakaja isan-tsokajiny.

 

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.