FIZARANA TOHANA HOAN’IREO TRABOINA ENY AMBATOBE MASINANDRIANA

Io maraina io no nizarana ny vary sy ny fitaovana vitsivitsy fampiasa ao andakozia ho an’ireo traboina eny amin’ny toby Ambatobe-Masinandriana, izay notarihin’ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, i Ramatoa Tahina Juliana Ratovoson.
Amin’ny maha mpifanolo-bodirindrina azy amin’ireo traboina dia mahita ny olana izay iainan’izy ireo ny tenany ka tonga niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy nitondra izay zaka hanohanana ny mpiarabelona traboina.
Maherin’ny 100 izy ireo no mipetraka ao amin’ny trano lay noho ny faharavan’ny trano fonenan’izy ireo. Ahitana ankohonana maromaro no mitambatra ao anaty trano lay iray ary miezaka mifandamina satria samy ao anaty voina ka isaorana manokana ireo mpitondra fanjakana mikarakara sy tsy manadino azy ireo fa manampy hatrany.
©VMJ Janv 2022

Autre Articles

FORMATION DES FORMATEURS « LIFE SKILLS »

FORMATION DES FORMATEURS « LIFE SKILLS »

MANATEVIN-DAHARANA IREO "POOL DE FORMATEURS" EFA NISY HATRIZAY Iray amin'ireo fandaharanasa entina manabe ny Tanora ny "Life Skills"na ny Fahaiza-miaina entina miatrika ny fiainana. Ny taona 2007 ny Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no namolavola ny tanora...

Fiarahabana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

Fiarahabana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

Tonga nirary soa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Atoa HAWEL Mamod Ali ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Ramatoa Juliana RATOVOSON amin'izao taona vaovao izao. Taonan'ny asa ity taona 2022 ity ho fanatanterahana ireo velirano napetraky ny...