FIZARANA TOHANA HOAN’IREO TRABOINA ENY AMBATOBE MASINANDRIANA

Io maraina io no nizarana ny vary sy ny fitaovana vitsivitsy fampiasa ao andakozia ho an’ireo traboina eny amin’ny toby Ambatobe-Masinandriana, izay notarihin’ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, i Ramatoa Tahina Juliana Ratovoson.
Amin’ny maha mpifanolo-bodirindrina azy amin’ireo traboina dia mahita ny olana izay iainan’izy ireo ny tenany ka tonga niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy nitondra izay zaka hanohanana ny mpiarabelona traboina.
Maherin’ny 100 izy ireo no mipetraka ao amin’ny trano lay noho ny faharavan’ny trano fonenan’izy ireo. Ahitana ankohonana maromaro no mitambatra ao anaty trano lay iray ary miezaka mifandamina satria samy ao anaty voina ka isaorana manokana ireo mpitondra fanjakana mikarakara sy tsy manadino azy ireo fa manampy hatrany.
©VMJ Janv 2022

Autre Articles

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

TANORA MIZARA AMPITIAVANA ♥️♥️♥️

Tsy hain’ny tanora ny hijery fotsiny izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana izao. Tsara kokoa ny manome noho ny mandray , tamim-pitiavana no nitondran’ny tanora fitafiana mafana hanampiana ireo niharam-boina. Izany rehetra izany dia natao teo ambany fitarihan’i...

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

FIARAHA-MIASA MJS- UNFPA

Nahazo fampitaovana MOTO CROSS miisa ny Ministère de la Jeunesse et des Sports avy amin'ny UNFPA Madagascar ho fanamorana ny fidinana ifotony atao ho fampiroboroboana ny Tanora. Ireo Moto ireo dia omena iasana amin'ny Maison des Jeunes any amin'ireto Faritra manaraka...

FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA

FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA

Ny faha 19 Janoary 2022 no nosokafana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022 izay natao tao amin'ny Distrikan'i Mahanoro, teo ambany fitarihin'ny Minisitry ny tontolo iainana Baomiavotse Vahinala Raharinirina, MEDD izay nisolo tena ny Filoham-Pirenena Andry...