FIZARANA TOHANA HOAN’IREO TRABOINA ENY AMBATOBE MASINANDRIANA

Io maraina io no nizarana ny vary sy ny fitaovana vitsivitsy fampiasa ao andakozia ho an’ireo traboina eny amin’ny toby Ambatobe-Masinandriana, izay notarihin’ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, i Ramatoa Tahina Juliana Ratovoson.
Amin’ny maha mpifanolo-bodirindrina azy amin’ireo traboina dia mahita ny olana izay iainan’izy ireo ny tenany ka tonga niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy nitondra izay zaka hanohanana ny mpiarabelona traboina.
Maherin’ny 100 izy ireo no mipetraka ao amin’ny trano lay noho ny faharavan’ny trano fonenan’izy ireo. Ahitana ankohonana maromaro no mitambatra ao anaty trano lay iray ary miezaka mifandamina satria samy ao anaty voina ka isaorana manokana ireo mpitondra fanjakana mikarakara sy tsy manadino azy ireo fa manampy hatrany.
©VMJ Janv 2022

Autre Articles

FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

Fikambanana maro no niara-dia tamin-dRamatoa Ministra Lefitra misahana ny Tanora androany Sabotsy 12 Febroary 2022. Zanakazo maro no novolena nandritr’izany ; ary hita tamin’ireo tanora ny fahavitrihana satria dia tanora iray nahavita nanatsatoka zanakazo 10 avy. Ny...