FIZARANA TOHANA HOAN’IREO TRABOINA ENY AMBATOBE MASINANDRIANA

Io maraina io no nizarana ny vary sy ny fitaovana vitsivitsy fampiasa ao andakozia ho an’ireo traboina eny amin’ny toby Ambatobe-Masinandriana, izay notarihin’ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, i Ramatoa Tahina Juliana Ratovoson.
Amin’ny maha mpifanolo-bodirindrina azy amin’ireo traboina dia mahita ny olana izay iainan’izy ireo ny tenany ka tonga niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy nitondra izay zaka hanohanana ny mpiarabelona traboina.
Maherin’ny 100 izy ireo no mipetraka ao amin’ny trano lay noho ny faharavan’ny trano fonenan’izy ireo. Ahitana ankohonana maromaro no mitambatra ao anaty trano lay iray ary miezaka mifandamina satria samy ao anaty voina ka isaorana manokana ireo mpitondra fanjakana mikarakara sy tsy manadino azy ireo fa manampy hatrany.
©VMJ Janv 2022

Autre Articles

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...

ANOSIBE AN’ALA NISITRAKA VATSY TSINJO IREO MPONINA

ANOSIBE AN’ALA NISITRAKA VATSY TSINJO IREO MPONINA

Tsy misy DISTRIKA hadino raha mbola niaran'ny fahavoazana nafitsoky ny rivodoza Batsirai. Nanatanteraka ny adidy nankinina taminy amin'ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo avy amin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny Ministra Lefitra misahana ny Tanora tao amin'ny...