FIVORIAN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRA ETO ANIVON’NY MINISITERA

Nanatanteraka fivoriana tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 20 janoary 2023 ireo tompon’andraikitra rehetra eto anivon’ny Minisitera.

Fivoriana izay niompana tanteraka tamin’ny fanomanana ny asa ho tanterahina izay miandry ao anatin’ny enim-bolana voalohany.

Ny sehatry ny Tanora, dia ny fanomanana ny fanatanterahana ny tetikasa FANOITRA izay miompana amin’ny fampiofanana ny tanora momban’ny fahaiza miaina « LIFESKILLS » sy ny fampananan’asa.

Ny eo amin’ny Fanatanjahantena dia nisongadina tamin’izany ny fikarakarana ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy sy ireo fifaninanana iraisam-pirenena miandry amin’ity taona 2023 ity ary ny fanomanana ireo Atleta Malagasy hiatrika izany.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.