FIVORIANA NIARAHAN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRA ETO AMIN’NY MINISITERA

Nanatanteraka fivoriana izay niarahana tamin’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ireo tompon’andraikitra rehetra teto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, omaly 6 aprily 2023.

Nandritra izany dia nanome toromarika ny tenany amin’ny hanomezana haingavao hatratrarana ireo tanjona sy fanamby napetraka eo anivon’ireo Tale Jeneraly sy ny Tale rehetra eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nampahafantarina nandritra izany ireo vondronasa miisa 05 eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena sy ireo asa lahara-pahamehana ho tratrarina ato anatin’ny herinandro toy ny :

– Fitantanana sy ny raharaham-panjakana

– Mahakasika ny Fanatanjahantena ankapobeny sy fanomanana ireo fifaninanana iraisam-pirenena

– Mahakasika ny Tanora

– Ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena

– Ary ny mahakasika ireo ratsa-mangaika eto anivon’ny Minisitera.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.