Fitsidihan’ireo iraky ny Hub YouthConnekt Africa Summit eto Madagasikara.

Fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa Moustapha Marson no nanombohan’ny iraky ny Hub-YouthConnekt Africa Summit, avy any Rwanda ny fitsidihany eto Madagasikara.

Nitohy tamin’ny fidinana ifotony teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena, Mahamasina izany. Toerana heverina fa handraisana ny lanonam-panokafana ity fihaonambe an-tampon’ny Tanora Afrikanina ity.

Nisy ihany koa ny fivoriana niarahan’ireto delegasiona vahiny ireto tamin’ireo vaomiera isan-tsokajiny teny amin’ny trano fivoriana Titan 2, an’ny Firenena Mikambana Andraharo. Nisy ny tombana eo amin’ny firosoan’ny fanomanana ny fandraisana ity fihaonambe ity.

Tsy latsa-danja amin’ny fanomanana hetsika lehibe tahaka izao ny lafiny serasera ka nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpanao gazety izay nahafahana nifampizara ireo tokony ho fantatra rehetra mahakasika ny YouthConnekt Africa izay ho raisin’i Madagasikara ny 26 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao.

Autre Articles

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Morengy Iarivo andiany voalohany.

Notanterahana tao amin'ny kianjan'ny kanto Mahamasina ny alahady 6 aprily 2025 ny andiany voalohany amin'ny Morengy Iarivo. Afa-po tanteraka ireo mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena tentim-paharazana ity satria dia nomen-danja tanteraka ity taranja ity tamin'ny...