FITSIDIHANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NATAON’IREO DELEGASIONAN’NY FIFA sy ny FMF

Tonga nitsidika tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ireo delegasionan’ny FIFA mamita iraka eto Madagasikara sy ny Federasiona Malagasy ny taranja baolina kitra (FMF), ny 14 Jolay 2022, tao Ambohijatovo.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony no nanehoan’ny Minisitrin’ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny fisaorana ny FIFA, tamin’ny fihaonana izay mampiseho ny fisian’ny fiaraha-miasa hatramin’izay sy ny fifampitokisana mipetraka eo amin’ny FIFA sy Madagasikara.

Nanamafy ny tenany fa zava-dehibe amin’ny fitondram-panjakana ny fanatanjahatena amin’ny ankapobeny sy ny taranja Baolina kitra manokana izay naseho tamin’ny alalan’ny fanamboarana foto-drafitrasa manerana ny Nosy, ary ny tanjona fohy ezaka amin’ny fanamboarana foto-drafitrasa izay haparitaka manerana ny distrikta 119, ny fanampiana ara-bola ary koa ny fanatrehan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny tenany ireo lalao iraisam-pirenena isankarazany izay anisan’izany ny CAN 2019.

Manantena fanohanana tanteraka avy amin’ny FIFA koa i Madagasikara toy izay efa atao any amin’ireo firenena hafa. Raha ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana dia mendrika tanteraka izany isika satria mandray anjara mavitrika amin’ny fampiroboroboana ny taranja baolina kitra izay anisan’ny fandaharan’asa imasoan’ny FIFA. Ireo rahateo dia tafiditra tao anaty fifampiresahana nisy teo amin’Atoa Minisitra sy ny Filohan’ny FIFA , Atoa Gianni Infatino nandritra ny CAN 2019.

Niompana tamin’ny fanamafisana ny fampandrosoana ny taranja baolina kitra ( Beach Soccer, Football Féminin, Football Scolaire….) sy ny fomba fiaraha-miasan’ny FIFA, FMF ary ny fitondram-panjakana ny fihaonana.

Anisany voaresaka tao anatin’izany ny hametrahana tondrozotra amin’ny fomba hitantanana ny federasionina ary ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny taona 2023; ny famerenana indray ny famatsiana ara-bola eo anivon’ny FMF mba hiantohana ny tetikasa rehetra hotanterahina manodidina ny fifaninanana, fotodrafitrasa sy fiofanana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary koa handoavana ny karama ny mpiasan’ny FMF.

Ny Minisitera dia mijanona ho mpanara-maso akaiky ny federasionina ka tsy mitsabaka amin’ny lafiny fitantanana saingy manaraka akaiky sy mametraka ny fanajana ny lalàna rehetra mipetraka. Manohana ireo federasionina rehetra ary manampy araka izay tratra mba ho fampandrosoana ny fanatanjahatena.

Teo am-pamaranana Atoa Minisitra dia nampatsiahy ny andraikitry ny federasiona iraisam-pirenena sy ny Fanjakana izay mifameno tanteraka.  Ary nampita ny fiarahabana ombam-pirariantsoa ho an’ny Filohan’ny FIFA , Atoa Gianni Infatino.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.