FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin’ny fomba am-panajana an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin’ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan’ny komity Olaimpika Malagasy, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, ny 24 febroary 2023.

Niarahaba sy nirary soa an’Andriamatoa Minisitra ny tenany ary nanamafy ny fiarahamiasa izay efa nisy.

Nandritra ny fihaonana dia samy naneho ny fahavononany ny roa tonta indrindra amin’izao ankatokin’ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 izao.

Nisaotra ny Filohan’ny komity olaimpika Malagasy, Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA tamin’ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay ary manantena ny hitohizan’izany hatrany.

Autre Articles

FIFANINANANA ASIEF

FIFANINANANA ASIEF

Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo....

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny kianja  manarapenitra ao Morondava. Nidina ifotony  nijery sy nanara-maso ny asa fanamboarana ny  kianja anio Talata 02 Novambra 2021, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel sy ny ekipany.